SocialTatitra

Brésil : Mpifankatia iray no nahavita namorona avana « artifisialy »

Naniry ny hisian’ny avana tamin’ny sary mariaziny i Priscila sy Alisson vadiny. Nanagataka tamin’irony fiara manidina mpandraka rano na “Canadair” irony izy roa kely mba hahatanteraka izany. Rano 900 litatra no nararaka tamin’izany ka niforana teo afovoan’ny làlana teo ilay avana. Voarakitry ny mpaka sary avy hatrany izany. Ny avana moa dia midika vintana tsara ho an’ireo mpanambady ao Brésil.

Laisser un commentaire