ActualitésTatitra

Bolivie : Nanatanteraka lamesa ho an’ireo biby fiompy ao an-trano

Nankalazain’ny Bolivien ny alatsinainy teo ny “Saint-Roch” ho fanomezam-boninahitra ny olo-masina mpiaro ny alika. Raha tsiahivina dia teraka tao France i Saint Roch tany amin’ny taona 1295. Novonjena alika iray izy izay nitondra sakafo ho azy rehefa nararin’ny pesta tamin’izany fotoana raha ny tantara. Ny pretra Justino Limachi kosa no nikarakara ity lamesa natao ankalamanjana teo alohan’ny fiangonan’i El Alto ity. Nivavaka ho an’ireo biby tsy misy mpiahy ny tenany nadritra izany ary nanondraka rano voahasina ireo saka sy alika nentin’ny tompony teo an-toerana.

Laisser un commentaire