Tena voafehy tokoa ve ny Coronavirus ?
« Voafehy ny valan’aretina Coronavirus » hoy ny Filoha. Mihena tsikelikely ireo tranga vaovao eto Madagasikara raha toa ka nidangana be izy teo aloha. Ampy ilazana ny fahafehezana ity virus ity ve izany ny tarehimarika avoakan’ny Fanjakana ?
Efatra, dimy, folo farafahabetsany ireo tarehimarika maneho ireo tranga vaovao raha toa ka firy andro izay no tsy misy ny lavon’ity aretina ity. Hita ho mihena ihany koa anefa manoloana izany ny fihenan’ireo olona tonga manao fitiliana ka mampihena ny tarehimarika. Manodidina ny dimanjato eo ho eo hatrany ireo isan’ny fitiliana atao ka amoahana ireo isa ireo.
« Efa azo lazaina hoe voafehy ny aretina raha oharina amin’ny firenena hafa. Ny fihenan’ireo tarehimarika ireo dia porofo mivaingana fa efa eo an-dalam-pandresena isika » hoy dokotera Andry. « Ireo izay hiroso amin’ny fanaovam-baksiny sisa no tena manao ny test fa tsy dia ahitana olona tonga fotsiny amin’izao intsony » hoy i Eric izay anisan’ireo olona nanao « prélèvement » teny amin’ny CTC-19 Andohatapenaka.
Misy kosa ireo izay milaza fa tsy marina ny antontan’isa mivoaka fa mbola misy hatrany ireo olona lavon’ity valan’aretina ity, toa an’i Marc raim-pianakaviana iray vao avy nandao vady izay milaza fa : « Tsy marina ny tarehimarika mivoaka fa aotra ny maty. Mbola misy ny matin’ny Coronavirus eny amin’ny hopitaly samihafa eny ». Ny avy eo amin’ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka kosa manoloana izany, manamafy hatrany ny fahafehezan’ny Madagasikara ny valan’aretina Coronavirus ary ankehitriny dia mirona tanteraka amin’ny fanaparitahana ny vaksiny izay iadiana amin’izany.
Noho izay fihenan’ny tranga vaovao isan’andro izay indrindra no antony mahatonga ny fitondram-panjakana hanalefaka hatrany ny fepetra ara-pahasalamana. Amin’ny ankapobeny, azo ambara fa efa miverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina eto Madagasikara, ary na ny fanajana ny fepetra aza efa tsy tahaka ny teo aloha intsony, raha tsy hiresaka afa-tsy ny fanaovana ny saron-tava izay efa nihen-danja tanteraka isika. Afaka milaza ve izany isika fa tsy diso hatrany amboalohany ny paikady napetraky ny fitondrana hiadiana amin’io areti-mandringana io ?
Tsangy Randriamampianina
