ActualitésTsidika

Manangana ireo toro-marika ny tompon’andraikitra mialohan’ny hisokafan’ny fiantsonana ao Antsohihy

Miroso amin’ny fametrahana ireo fepetra mialohan’ny hampiasana ilay tobim-piantsoanana vaovao ao Bekitrobaka ny eo anivon’ny Kaominina Andrenivohitra Antsohihy. Raha tsiahivina, efa taona maro no nahavitan’ity foto-drafitr’asa ity saingy tsy nampiasaina, vokatry ny sakantsakana ataon’ny Députe Rémi dit Jao Jean. Izy izay sahy namory ny ekipany mba hanakana ny fampiasana ity tobim-piantsonana ity raha vao nandalo teto Antsohihy ny tale jeneralin’ny ATT ny 19 jolay 2021 lasa teo. « Tsy atao ankamehana fa mila jerena ny lafin-javatra maro mialohan’ny fifindrana tsikelikely any amin’ny tobimpiantsonana vaovao » hoy ny avy eo anivon’ny Commune Urbaine Antsohihy.

« Tena hitondra vokatsoa be dia be ho anay aty ny fisokafan’io gare io » hoy i Desiré, mponina any an-toerana. « Efa miroso hatrany ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay izay voasokajy ao amin’ity fotodrafitrasa ity » hoy i Nasiry Ali Ben’ny Tanàna. Ho afaka fotoana fohy dia ho feno ny fepetra rehetra ahafahana mifindra tsikelikely any amin’ny Gare routière Bekitrobaka raha ny asa no jerena. Betsaka ireo efa tsy mahandry intsony ka ilaina ny tokony hanafainganana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire