Herinandro vao vita ny Tsiroanomandidy-Maintirano noho ny haratsin’ny lalana
Miantso ny filoha Andry Rajoelina mba hampanamboatra haingana ny lalana Tsiroanomandidy-Maintirano ny mpampiasa iny lalam-pirenena RN1b iny ny mponina any an-toerana. Ity lalana ity izay tena mifandray betsaka amin’ny fiveloman’ny mponina any an-toerana.
Vao haingana no hita niteny tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray ao an-drenivohitra ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Morafenobe Voninahitsy Jean-Eugène, nitaraina mikasika ny lalana. « Hitanay ny fampandrosoana ataonao eto amin’ny firenentsika. Betsaka ny asa efa vitanao sy ny mbola hataonao kanefa mangataka izahay aty amin’ny faritra Melaky mba handinihana ihany koa ny lalanay fa tena mijaly izahay aty », hoy ny antso avo ataon’ireo mponina.
« Raha hilatsaka hofidiana ny filoha amin’ny fifidianana manaraka ka tsy mbola vita anefa ity lalana ity dia mialatsiny izahay fa tsy hifidy ho azy intsony » hoy i Dominique, mponina any an-toerana. « Miantoka ny fiainanay ny fahatsaràny ka tokony hojerena akaiky » hoy ny tompon’andraikitry ny fokontany any an-toerana. Herinandro vao vita ny lalana mirefy 400 km eo ho eo noho ny haratsiny, izay sady mamakivaky faritra menan’ny asan-dahalo ihany koa.
Mila fanampiana haingana araka izany ny vahoaka any an-toerana mba sady hisian’ny filaminana no hanamora ny fivezivezeny.
Nicole Rafalimananjara
