La Réunion : Mpianatra tao amin’ny nosy no nahazo ny medaly volafotsy tamin’ny « Concours du génie de la construction »
Mpianatry ny kolejy Paul Hermann ao Saint-Pierre no nandrombaka ny medaly volafotsy tamin’ny « Concours du génie de la construction » izay nokarakarain’ny federasiona ny fanorenana frantsay. Mpianatra dimy : Gwendoline Zettor, Lucas Techer, Davian Maillot, Gilbert Esther ary Enzo Hoareau no nisolo-tena ny sekoly sy ny nosy tamin’izany, izay niaraka tamin’ny profesora momba « Génie Civil », Jean-François Clain.
Manoloana io fandresena io dia voafantina amin’ny fiadiana ho tompondakan’i France eo amin’io taranja io ireo mpianatra ireo. Raha tsiahivina kosa dia misahana ny « aquaponie » izay entina hikarohana momba ny fambolena zava-maniry amin’ny alalan’ny fampiasana ny fako ny trondro (déchets des poissons) ho zezika voajanahary ny tetik’asan’izy ireo.
