Festival SSMAF: Hanomezana fahafahampo ny ankizy sy ny tanora mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra
Andiany fahatelon amin’ity taona 2023 ity ny hetsika SSMAF. Hotanterahina ao anatin’ny Distrikan’ny Avaradrano hanomezana fahafaham-po ny ankizy sy ny tanora izany hetsika izany. Izay haharitra roa volana ary hiparitaka manerana ireo kaominina rehetra. Hanomboka ny 15 jolay izao ny hetsika ary hifarana ny 17septambara 2023.
“Entina hanentanana ny tanora sy ny ankizy ity hetsika ity satria ny fotoam-pialantsasatra matetika dia miteraka tsy fisiana zavatra atao amin’izy ireo. Homena fahafaham-po ihany koa ireo ankizy ireo mandritra izany fotoana izany. Entina hialana amin’ny fiakarana any an-drenivohitra matetika be ihany koa ity”; hoy I Harinoro Ratompoarinosy, mpikarakara ny hetsika.
Ahitana lalao isan-karazany ao izay hiavaka amin’ny teo aloha rehetra. “Hisy ny lalao natokana ho an’ny olon-tsotra, hisy ihany koa ireo izay natokna ho an’ny fikambanana sy ny orinasa isan-karazany. Anisan’ny ho hita ohatra ny foot-ball, volley, tsipy kanetibe ho an’ireo fikambanana. Amin’ny maha fety azy dia tsy hadinoina ny fampisehoana isan-karazany sy ireo fifaninanana miavaka”, hoy i Mahery Rabibisaon, mpikarakara.
Hanerana ny Kaominina rehetra ao Avaradrano izay miisa 16 no hanatanterahana ny lalao rehetra. Ny fisoratana anarana kosa mbola mitohy eny amin’ny BTC Ambohimangakely izay miovaova araka ny taranja ny saram-pandraisana anjara.
Miora Raharisolo
