Lavo ny jiolahy iray saika hanafika tranona Tale Jeneraly iray teny Ambohimitsimbina
Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana sy ny asan-dahalo. Rehefa trano misy vola dia ataon’ireo avokoa. Nisehoana fanafihana indray ny alina teo tetsy Ambohimitsimbina tao amin’ny Tale Jeneraly iray eo anivon’ny Minisiteran’ny Vola. Jiolahy am-polony sy mirongo fitaovam-piadiana ireo jiolahy saika hanao ny fanafihana. Vao niditra ankeriny ireo jiolahy dia nanapoapoaka basy sy nitifitra. Efa nisy zandary mpiandry anefa ny toerana izay namaly tifitra avy hatrany. Lavo tamin’izany ny iray tamin’ireo jiolahy raha tafatsoaka kosa ny namany. Tonga teny an-toerana taorian’izay ireo polisy CSP2 sy ny BC nijery ifotony. Tsy nisy zavatra na entana lasan’ireo jiolahy; Tsy nisy nahazo ireo tompon-trano ihany koa. Hita teny an-toerana ny tranom-banja nipoaka miisa 2 (étui) nampiasain’ireo jiolahy. Efa mametraka paik’ady ankehitriny ireo Zandarimaria mba hanafoanana ny asan-dahalo izay mirongatra loatra tato ho ato.
Nicole Rafalimananjara
