Ambohimangakely: Misy fampianarana manao « soudure »
Fiofanana maro no hita ao amin’ny BTC Ambohimangakely toy ny fanaovana « soudure ». Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay te hahafehy ny soudure. « Mandritra ny roa volana monja no hahafehezantsika ny soudure. Isan’ny tanjon’ny BTC ny hananan’ny tanora orinasa azy manokana » hoy i Diamondra, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC Ambohimangakely. « Tombony lehibe ho anay eto Ambohimangakely ny fisian’ny BTC. Betsaka ny fampiofanana arak’asa. Tena mampiavaka azy dia izy tena manosika sy mampandroso mihitsy fa tsy sanatria Haka vola fotsiny. Tiany ho mpandraharaha ny tanora fa tsy hiankina amin’ny karama isam-bolana amin’ny orinasa foana » hoy i Avotra, tanora ao Ambohimangakely. Azo atao ny misoratra anarana ao amin’ny pejin’ny BTC na manatona mivantana eny. Vahaolana iray hamahana ny olan’ny tsy fananan’asa ny fandraharahana.
