Fampianarana ambony : Nodimandry ny Pr Ramambazafy-Ralainony Jacques
Very olo-manga ny Université an’Antananarivo. Nodimandry ny alarobia 7 jona 2023 i Ramambazafy-Ralainony Jacques, Professeur Émérite. Tsy misy tsy nahafantatra azy raha mbola mpianatra nandrato fianarana tao amin’ny Faculté des Lettres et Sciences Humaines, Faculté d’Économie, de Gestion et de Sociologie, Faculté de Médecine, Institut National de Santé Public Communautaire. Ny taranja « psychologie » no anisan’ny nampianariny tao amin’ireo toeram-piofanana ireo.
Efa filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Oniversite koa izy, filohan’ny fikambanan’ny professeurs, ary filohan’ny vondron’ny mpampianatra tao amin’ny Faculté des Lettres et Sciences Humaines. Mpianatra an’aliny no efa nampianariny; ary an-jatony no notarihiny teo amin’ny fikarohana siantifika. Anisan’ireo i Dr Ratsimbazafy Herimalala, mitantara: « Izy no directeur de mémoire-ko tamin’ny 2006, tamin’ny maîtrise. Mbola tsaroako foana ny fibedesana nataony ahy tao amin’ny biraony, fony izy sady mpampianatra no Président du Collège des Enseignants. Membre du jury izy tamin’ny soutenance-ko. Noho ny nahavita doctorat aho dia lasa membre du jury niaraka taminy. »
Entina eny amin’ny Esplanade ao amin’ny Oniversité an’Antananarivo ny nofony amin’ny alahady izao. Mirary fiononana ho an’ny fianakaviana ny gazety Tsidika.
Miora Raharisolo
