ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Saron’ny zandary ny tambajotra mpangalatra moto

Tambajotra ana mpangalatra moto no saron’ny zandary avy ao amin’ny brigady Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny alalan’ny paik’adin’ny zandary no nahafahana namandrika ireto olon-dratsy ireo, araka ny voalaza.

« Efa manana teti-dratsy ireo olon-dratsy. Mpanao taxi-moto iray no very moto ny 04 aogositra 2023 rehefa voaambana sabatra teny Ambatomaro. Lasan’ireo olon-dratsy ny moto. Mialohan’ny hangalarana moto dia efa mividy lazam-bidy fotsy ireo mpangalatra ary efa misy olona fividianana izany, ity farany izay efa voasambotra ary nahatrarana taratasy hosoka miisa 4 tao aminy » hoy ny avy amin’ny brigadin’ny zandarimaria.

« Rehefa avy mangalatra dia nifindra trano. Amidy ny moto misy lazam-bidy. Mividy lazam-bidy fotsy indray izy ireo aveo dia miomana hanao opération manaraka, toy izay hatrany ny fiasan’izy ireo. Amin’izao fotoana, moto miisa efatra no giazan’ny zandarimaria eto an-toerana mitady ny tena tompony ara-dalàna » hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa, fa hitan’ny tompony teny amin’olona io moto very ny 04 aogositra ny faraparan’ny volana martsa teo,ka nahafahan’ny zandary nanao ny fanadihadiana. Lehilahy miisa enina no voarohirohy mpanao sy mampiasa ny lazam-bidy fotsy tao anatin’izany. iray kosa no mpivarotra ary iray hafa voarohirohy ho nangalatra sy nivarotra mato halatra ary manome ny lazam-bidy fotsy.

Laisser un commentaire