ActualitésConseil

BETIRAVY

Betiravy – Tombontsoa ara-pahasalamana

Betiravy

Tombontsoa voajanahary ho an’ny fo, ny herina ary ny fandevonan-kanina

Ny betiravy dia tsara ho an’ny fo sy ny taolana satria misy singa voajanahary izay manampy amin'ny fanadiovana ny ra ary mampifandanja ny tosidra.

Manamafy ny herin’ny vatana rehefa manao fanatanjahan-tena izy io, satria mampitombo ny oksizenina ao amin’ny hozatra ary mampihena ny havizanana haingana.

Misy "antioxydant" mahery vaika (bétalaïnes) izy ka miady amin’ny fahasorenana, miaro ny aty ary mampihena ny fiforonan'ny aretina amin'ny vatana.

Manampy amin’ny fandevonan-kanina izy noho ny fibra ao anatiny ary manohana ny tsinay tsara.

Farany, be "folate" sy "mineraly" (manganesa, potasioma) izy ka tena ilaina ho an’ny vehivavy bevohoka sy ny olona reraka matetika.

Ilaina iany ny mitandrina amin'ny fihinana azy io ho an'ny olona misy diabeta, noho izy misy Mamy, ka mety hampikorontana ny taha ny mamy amin'ireo olona misy diabeta ireo.

Farany, lanjalanjaina hatrany ny fihinana azy mba tena hahafeno ny filana azy Ary tsy hihoatra ny ilain'ny vatana.

Tsara tsara raha atao rano fisotro, na anaovana lasary no tena fihinana azy.

Laisser un commentaire