Ambohimangakely: Maimaim-poana ny fidirana amin’ny podium atolotry ny kaominina
Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fety fankalazana ny faha 63 taona niverenan’ny fahaleovan-tena ihany koa ny ao amin’ny kaominina Ambohimangakely amin’izao fotoana. Seho govana (podium) mandritra ny roa andro misesy no hiseho ao an-toerana mandritra ny fankalazana izany, araka ny voalaza.
“Ny alahady 25 jona, seho goavana miaraka amin’ireo artista fanta-daza toa andry Agrad sy Nael no hiakatra an-tsehatra. Ny alatsinainy 26 jona kosa dia ry FSC Mozika sy THT ary hanampy ny seho ataolotr’ireo mpanakanto ireo ny artista avy eo amin’ny kaominina, hanafana ny lanonana” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Ilaina ny miala voly amin’ny fiainana ary izay indrindra no hanentanana ny rehetra, na tanora na ray aman-dreny hiara-paly. Maimaim-poana ny saram-pidirana amin’io fotoana io ary hisy ny fanentanana isan-karazany ho hita eny an-toerana miaraka amin’ny kilalao maro samihafa” hoy hatrany ireo mpikarakara.
Marihina moa efa eny kianja Tanimenabe, mifefy, ampitan’ny sapanana Behintsy no hanatanterahana ity seho goavana lehibe ity.
Manitra R.
