ActualitésTatitra

Australie : Voafidy ho moron-tsiraka tsara indrindra maneran-tany ny ao Whitehaven

Tafiditra ao anatin’ireo morontsiraka tsara indrindra maneran-tany i Whitehaven. Ao Queensland ao amin’ny nosy Whitsunday no misy azy. Malaza noho ny tora-pasikany fotsifotsy sy ny rano madio mangatsakatsaka ny toerana. Raha ny fanazavana dia toy ny lafarina ny fasika ao amin’ity toerana ity rehefa kasiana. Misarika mpizaha-tany maro i Whitehaven ary ny fitanterana an-dranomasina no tena hiazoan’izy ireo izany. Efa niseho tao amin’ny horonan-tsary Pirates des Caraïbes: La Vengeance de Salazar ihany koa izy.

Laisser un commentaire