Ankadikely Ilafy : Noraisan’ny ben’ny tanàna ireo atleta, zanaky ny kaominina, nandray anjara tamin’ny lalaon’ny nosy
Noraisin’ny ben’ny tanàna, miadidy ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny alarobia teo, ireo atleta zanaky ny kaominina, nandray anjara tamin’ny lalaon’ny nosy 2023. Misy dimy mianadahy izy ireo, ary notolorana mari-pankasitrahana tsirairay avy.
“Noho ny ezaka lehibe izay nataon’izy dimy mianadahy, izay nitondra avy ny voninahi-pirenena ary reharehan’ny kaominina dia notolorana Certificat de Mérite Sportif izy ireo. Mendrika ny zava-bitany sy natolotr’izy ireo tokoa izany” hoy ny avy amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.
“Hisaorana lehibe ny kaominina amin’ny ezaka sy ny fanohanana ny tanora Malagasy sy ny fanatanjahan-tena, indrindra ny eto amin’ny kaominina. Ny fandraisana an-tanana ny sehatry ny tanora sy fanatanjahan-tena dia efa anisan’ny famporisihana ny fampandrosoana. Ity farany izay tena mila fanohanana mafy satria hiankinan’ny fiainam-pirenena” hoy ny tomponandraikitra misahana klioba.
Marihina moa fa teo amin’ny taranja lalao baolina kitra (Barea Madagasikara) dia nisy an’i Randrianarijaona Tendry Manovo Mataniah sy i Rakotondraibe Toky Niaina, izay nahazo medaly volamena ; teo amin’ny taranja « Karaté » dia nisy an’i Rakotobe Billy Andriasatantsoa, medaly volamena iray ary volafotsy iray ; teo ihany koa i Razanabahoaka Elyse Faratiana izay nibata medaly volamena tamin’ny taranja « Kickboxing » ; ary i Rakotoniaina Lovasoa Nomenjanahary Mbolatiana nahazo ny medaly volafotsy teo amin’ny « handisport » sokajy « fauteuil roulant » 1500m.
Manitra R.
