ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Hiroso amin’ny dingana faharoa amin’ny fifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipa kaominaly

Miditra amin’ny andiany faharoa amin’ny fifantenana ireo mpilalao izay handrafitra ny ekipa kaominaly, amin’ny taranka baolina kitra ny ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ho tanterahana amin’ny alahady 12 febroary izao izany dingana amin’ny fifantenana mpilalao izany, raha ny voalaza.

« Eny amin’ny kianja Volomborona ihany no hanatanterahana ny fifantenana ireo tanora handrafitra ny ekipan’ny kaominina, amin’ity taona ity. Hanomboka amin’ny 09 ora maraina ny fotoana ka hanentanana ireo izay niatrika ny fifantenana voalohany hiomana amin’izany » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Tsy miova ny fitsipika, tsy miova ihany koa ny fepetra hahafahan’ny tanora mandray anjara fa tsara ampatsiahivina hatrany kosa hoe mpilalao nandray anjara ary manana ny karatra tamin’ny lalao amboaran’ny ben’ny tanàna no takiana amin’ny fifantenana » hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa, fa ity fifantenana ity izay nokasaina hatao ny volana janoary lasa teo saingy nahemotra amin’ny alahady izao vokatry ny andro ratsy izay nandalo teto amin’ny nosy.

Manitra R.

Laisser un commentaire