Fotodrafitrasa : Manantena zavatra betsaka avy amin’ny ministra vaovao ny mpitatitra
Tao aorian’ny nanendrena an’i Tinoka Roberto ho ministra ny fitaterana sy ny toetrandro. Nametraka lisitry ny hetahetan’izy ireo ny fikambanan’ny mpitatitra tamin’ny fihaonana nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety ny Alatsinainy 23 Aogositra 2021.
Tamin’izany fihaonana izany, nitondra teny fiarahabana hoan’ny minisitra vaovao ny mpitondra tenin’ny fikambanana, Fredinard Rakotondrafara. Notanisainy tamin’izany ny asa vitan’ity ministra ity tamin’izy nisahana ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena. Notsindriany manokana tamin’izany fihaonana izany ny fanamboarana ny kianja Barea sy ireo « kianja manara-penitra ».
« Toy ny an’ny sehatry ny fanatanjahan-tena ihany ny sehatry ny fitaterana, mila fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny fenitra ny sehatry ny fitaterana, na izany hoan’ireo fiantsonan’ny fiara, na ireo tobim-piantsonana nma izany ireo lalam-pirenena izay tena hiasanay » hoy hatrany i Fredinard Rakontondrafara manazava. Nilaza ihany koa ireto mpitatitra ireto fa vonona ny hanohana hatrany ny ministera amin’ny fanatanterahany ireo tanjona napetrany.
« Nahatsapa ho tavela mihintsy izahay mpitatitra, fa rehefa nosarahana tamin’ny fizahan-tany ny fitaterana Resy lahatra tanteraka izahay fa afaka mampandroso miaraka sy manome aina vaovao hoan’ity sehatra ity. Vonona izahay ny hanome tanana ny ministra » hoy hatrany ny mpitondra tenin’ny fikambanana.
Mampivondrona ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly sy rezionaly ary ihany koa ireo zotra an-tanan-dehibe sy any ambanivohitra ity fikambanana mpitatitra ity.
Sitraka Rajaonarivony
