ActualitésTsidika

Madagascar – Indonésie : Fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta

 Mirindra sy milamina hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagascar sy Indonésie.

Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan’ny Anterimmierandoholona, Herimanana Razafimahefa tao amin’ny Lapa maitso Anosikely ny Chargé des Affaires en pied de la République de l’Indonésie à Madagascar, maurice, Seychelles et l’Union des Comores, i Benny Yan Pieter Siahaan ny Alatsinainy 23 Aogositra 2021.

Tao anaitn’izany fitsidihana izany no nanambara ny filohan’ny Anterimierandoholona fa mitohy hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana eo amin’ny Firenena Indonésie sy ny firenena Malagasy. Nohamafisiny fa mbola mitazona ny lohalaharana ny Firenena Malagasy amin’ny resaka fifandraisana amin’ny firenena Indonésie raha oharina amin’ny firenena hafa aty Afrika. Nilaza ihany koa izy fa firenena anisany manana traikefa amin’ny lafiny fambolem-bary sy ny lafiny fiompiana ny firenena Indonésie. Mahakasika izany fambolem-bary izany raha tsiahivina dia nisy ny fampiofanana saika notanterahin’ny firenena Indonésie mahakasika ny fambolem-bary fa noho ny fisian’ny valanaretina covid-19 dia voatery nahato. Araka ny fanambaran’i Herimanana Razafimahefa, « Hotohizana izany fampiofanana izany rehefa tapitra ity kizy ara-pahasalamana ity. ».

Andanin’izay, niarahaba ny firenena Malagasy ny Chargé d’Affaires en pied de la République de l’Indonésie à Madagascar, Maurice, Seychelles et l’Union des Comores. Nanambara ity farany fa anisan’ireo firenena nandresy ny Covid19 i Madagascar. Nankasitrahany ireo paikady napetraky ny fitondram-panjakna nentina nandresena izany valanaretina izany, indrindra fa ny fampiasana ny « cvo plus ». Nampita izany fiarahabana izany hoan’ny Filoham-pirenena izany ny SEM, Benny Yan Pieter Siahaan noho izany fahombiazana izany. « Mbola maro tokoa ny firenena ao anatin’izany krizy ara-pahasalamana izany amin’izao fotoana izao » hoy hatrany izy. Teo am-pamaranana ny fitsidihana dia nanambara ny filohan’ny Antenimierandoholona fa hisy ny fanangana ny « Groupe d’Amitié » eo amin’ny Parlemanta roa tonta. Tanjona amin’izany ny hanatsara hatrany ny fiaraha-miasa. Hodinihina ihany koa ny paikady entina hanampiana ny lafiny ara-tsosialy izay tena laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao eto Madagascar.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire