Baccalauréat A1, a2, C, D: Ho averina anio ny taranja Tantara sy jeografia araky ny filan-kevitry ny Minisitra
Taorian’ny savorovoro nateraky ny fiparitahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana ka nahatonga ny fanoloana laza adina Tantara sy jeografia dia nanapaka ny filan-kevitry ny Minisitra fa ho averina anio zoma ity taranja nahitana olana ity. Raha tsiahivina dia nihezaka namita ny laza adina vaovao nomena azy ny mpiadina, ary niaritra ny hatsiaka sy ny haizana vokatry ny fahatapahan-jiro tamin’ny faritra maro.
Araka ny fanambarana dia manana safidy ireo mpianatra na hamerina na tsia ny taranja tantara sy jeografia. Raha toa ka misafidy ny hamerina izy ireo dia izay naoty ambony no raisina , raha toa kosa ka tsy hamerina dia omena isa 10 izy ireo tamin’ny laza adina voalohany izay natao ny Alarobia lasa teo.
“ Nohon’ny zava-misy izay niaraha –tsika nahita sy niaina vokatry ny fiparitahan’ny laza adina mialoha dia nandray izao fanapahan-kevitra izao izahay. Ny mpianatra no mahalala ny zavatra nataony sy niainany nandritra ny fanatanterahana ny fanadinana ny Alarobia lasa teo ka manana safidy izy ireo na hamerina na tsia. Izao fanapahan-kevitra izao no natao dia nohon’ny fahatsapana fa tao anaty korontana sy tebiteby no nanantanterahan’ireo mpiadina ireo ny fanadinana ka rariny sy hitsiny raha omena fotoana hafa izy ireo ahafahany mamerina ny fanadinana.” Hoy ny tompon’andraikitra avy amin’ny fampianarana ambony.
“ Raha teto amin’ny foibem-panadinana nisy anay dia tsapa tokoa ny fikorontanana sy ny olana naterak’iny fanajanonana tampoka sy fanovana laza adina iny. Efa very tanteraka ny fifantohan’ireo mpianatra tamin’ny fanantanterahana ilay laza adina vaovao saingy kiry sisa no namitana azy. Mankasitraka indrindra izao fanapahan-kevitra izao izahay mba ho fitsinjovana ireo mpiadina.” Hoy ny lehiben’ny foibem-panadinana iray.
Tranga iray nanaitra sy nampihetsika Malagasy maro iny zava-nitranga ny Alarobia lasa teo iny, maro ny naneho ny heviny tamin’ny tambajotra sosialy. Tandindinin-doza tokoa ny fampianarana eto Madagasikara raha araka ireny tranga ireny ka ilana fandinihana sy fandraisana fepetra matotra sy entitra.
Miranto Andrih
