SocialTsidika

Mila sorohina ny lozam-pifamoivoizana

Mahazo vahana loatra ny lozam-pifamoivoizana amin’izao, tsy vitsy ireo namoy ny ainy sy nitondra takaitra. Inona no antony ? Ny tsy fitandremana ve ? Nanao fanentanana ny hisorohana ny lozam-pifamoivoizana ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena. Lahitoakana anefa ny aina kanefa vao nisokatra ny lalana dia nifanesy ny lozam-pifamoivoizana. Ny vola no fitady ary ny herim-po fanary fa tsy ny aina akory. Marina fa rehefa ho avy ny tsy mety ny patsa iray tsy omby vava ary na ny ranon’apango aza mety hisy voay kanefa kosa Ramalina aza mifehy hazo tokana. Mila mitandrina mandrakariva araka izany satria ny mpamonjy aza ankehitriny tsy hanavotra avy hatrany akory fa mbola haka sary aloha ho aparitaka any amin’ny tambajotran-tserasera na haka izay azo alaina any amin’ilay niharam-boina toy ny vola sy finday. Vokatry ny tsy fitandremana ihany koa anefa no mety hanimba ny fananana nohariana nandritra ny taona maro, ny aina ihany koa mety hanaraka izay tsy azo ho soloina velively. Sorohy araka izany ny lozam-pifamoivoizana, lanjalanjao ny hafainganm-pandeha ary hajao ireo lalàna rehetra mifehy ny fifamoivoizana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire