Ambohimangakely : Tontosa soa aman-tsara ny fambolen-kazo tao Antanetibe Ikianja
Notanterahina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fambolen-kazo tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Zana-kazo manodidina ny 2600 isa no novolena nandritra ity fotoana ity, tao amin’ny fokontany Antanetibe Ikianja, niarahana tamin’ireo mpianatra sy solo-tenam-panjakana isan-tsokajiny.
« Raha jerena amin’ny fotoana fanatanterahana ny fambolen-kazo dia hita somary tara ihany raha izao vao manomboka mamboly. Izany hoe tena mila fanaraha-maso sy fandraisana an-tanana goavana ireto zana-kazo ireto mba tsy ho very maina ny ezaka natao » hoy ireo avy amin’ny fikambanana miaro ny tontolo iainana.
« Anisan’ny adidy lehibe ary masina ho an’ny tanindrazana ny fambolen-kazo. Zava-dehibe ny fanatanterahana izany, indrindra amin’izao fotoana efa maro ireo olana miseho vokatry ny fahasimaban’ny tontolo iainana. Ny eo amin’ny resaka fanaraha-maso ireo zana-kazo volena no mila hamafisina ao anatin’izany » hoy ny avy amin’ny kaominina.
Anisan’ny nandray anjara tamin’ity fambolen-kazo ity moa ireo mpianatra ao amin’ny EPP Ikianja, ny fikambanana isan-tsokajiny ao an-toerana, ny avy amin’ny kaominina ary ny avy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Ireo avy amin’ny ministera kosa no handray an-tanana ny fanaraha-maso izay fambolena izany ao an-toerana.
Manitra R.
