ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Hatomboka ny 19 janoary izao ny taom-pambolen-kazo 2023

Ao Ilaka Est, Distrikan’ny Vatomandry no hanombohana ny taom-pambolen-kazo ho amin’ity taon 2023 ity. Maro ny toerana nahitana fahamaizana tamin’iny taona 2022 iny ka mila havotana ireny rehetra ireny.

« Vinavinaina ho 100 hektara ny faritra hovolena hazo manerana ny Nosy amin’io fotoam-panombohana io. Hampiasa fitaovana harifomba ahafahana mahatratra izany tanjona izany dia ny « drones » izay entina indrindra hanampy amin’ny fanapariahana ny zana-kazo », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana.

« Raha ny fahitana ny afo izay nandoro ala maro teto Madagasikara ny taona 2022 teo dia mbola ela vao ho avotra ireny fahamaizana ireny ka manana adidy amin’izany ny olom-pirenena tsirairay samy hamboly izay mety ho tandrify azy. Efa hitondra fiovana amin’ny toetr’andro na dia hazo fihinam-boa iray aza no volena eo amin’ny tokotany iray », hoy i Patrick, mankafy mamboly.

Raha manao ezaka ny fitondram-panjakana amin’ny fambolena sy ny fiarovana ny ala isan-karazany dai zava-poana izany raha tsy tonga saina ireo mpandoro ala ny maha zava-doza izany fihetsika ataony izany. Tokony hatao laharam-pahamehana noho izany ny fanentanana ny Malagasy rehetra ary ny fampatongavan-tsaina azy ireny ny maha zava-dehibe ny fisian’ny ala sy ny hazo amin’ny fiainany. Miantoka ny fahasalamana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro ny ala ka tokony harovan’ny tsirairay.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire