Dépêches

Soanierana Ivongo : Tratra ireo gasoil izay nisy nangalatra

Dépêche 06 janvier, 11h30, Nisesisesy tato hoa to ny fahenoana halatra solika teo amin’ny toerana fanamboarna ny lalana RN5 izay mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe. Tratra ireo solika very ary tratra ihany koa ireo olona izay nividy izany. Olona roa no voarohirohy fa nividy ireo solika 250l ireo kanefa tsy mbola niteny ny tena atidoha nikotrika izany raharaha izany izy ireo. Faty antoka ho an’ny Fanjakana sy ny Malagasy manontolo izany, ka tsy azo andeferana. Hahazo ny sazy sahaza ho azy ireo ihany koa ireo olon-dratsy ireo.

Laisser un commentaire