Ho atao ao Mahitsy ny fampivondronana ny Barea
Ny alahady lasa teo no fanokanana ny kianja manara-penitra any Mahitsy. Natao ho ampiasaina ny kianja fa tsy haingon-tanàna akory ka tapaka àry fa any no hanaovana ny fampivondronana ny Barea voalohany androany talata 8 Jona. Izany no tapaka nandritra ny tafatafa tamin’ny mpanao gazety nataon’I Rabesandratana Eric sy ny mpiara-miasa aminy omaly hariva tao amin’ny hotelu Ibis Ankorondrano. Natao ho famatarana sy ifandraisana amin’ny mpilalao ity fampivondronana ity hoy ny mpanazatra. Mitohy hatramin’ny rahampitso ny hanaovana fampivondronana azy ireo ao Mahitsy. Ny alakamisy kosa no hanatrika ny fitokananany Kianja Manara-penitra Ambohidratrimo. Ary tapaka ihany koa fa eo amin’io Kianja io izy ireo no hanao fampivondronana mandra-pahatapitry ny fampivondronana hatramin’ny Zoma 18 jona 2021. Nilaza ihnay koa I Rabesandratana fa hanao izay hahatafakatra ny ekipam-pirenena ka tsy hiditra amin’izay olana ao amin’ny Federasiôna any. Ny voninahim-pirenena no jerena fa tsy ny olana ao amin’ny mpitantana ny Federasiôna. Nibitaka ireo mponin’i Mahitsy fa handray ny mahery fon’ny firenena izany ao amin’ny kianja vaovao, miomana amin’ny fakan-tsary aza ireo tanora. Mirehareha amin’ity kianja manara-penitra tsy fahita hatramin’izay ity ihany. Hahazo vahana amin’ny fanatanjahan-tena izany izahay eto Mahitsy ary ho finaritra ihany koa izahay rehefa manao adina ara-panatanjahantena amin’ny fanadinam-panjakana hoy ny mpianatra iray tao amin’ny Lycée Mahitsy.
Nicole Rafalimananjara
