ActualitésTsidika

Niantso ny ONU i Ravalomanana Marc

Naresaka tato ho ato ny fisakanana sy ny fisavana nataon’ny mpitandro filaminana ny alahady teo an’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nivoaka ny fanehoan-kevitra maro tato amin’ny tambajotran-tserasera mikasika izany; olom-pirenena izy tahaka ny olom-pirenena rehetra savaina hoy ny sasany; tao kosa ny nilaza fa fahatahorana an-dRavalomanana daholo izao ka mahana ny fitondrana ary misava azy. Inona marina no tena marina? Hoy ny filoha teo aloha ity anefa nanoloana izany ka nanao hoe “Hita saika isan’ andro ireo ramatahora ataon’ny mpitandro ny filaminana”. Ny mpitandro ny filaminana dia atao hiaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy entina atao fitaovana politika hoy hatrany izy. Manan-jo feno hivezivezy eto amin’ny fireneny izy tahaka ny olom-pirenena rehetra ary manana ny zony amin’ny maha filoha teo aloha azy araka ny ny lalàna 2013-001 mametraka ny sata manokan’ ireo Filohan’ ny Repoblika sy Filoham-panjakana. Niantso ny fikambanambe iraisam-pirenena izy araka izany handray andraikitra amin’ny toe-daharaha eto Madagasikara. Ny tsy fanarahana sy tsy fanajana izay lalàm-panorenana amin’ny fahafahana mivezivezy sy maneho hevitra malalaka izay tsipahany tanteraka satria tena mifanipaka amin’ny foto-kevitra sy soatoavin’ny zandary, indrindra ilay teny filamitra hoe Tanindrazana sy Lalàna. Miantso ny ONU, SADC, ny Union Africaine sy ny Union Européenne mihitsy izy manoloana izany tranga rehetra izany. Tsy voafehin’ny lalàna intsony ve izany i Madagasikara ka miantso ny avy any ivelany mihitsy hiditra an-tsehatra ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire