ActualitésTsidika

Ny fandraisana andraikitra nataon’ny Akoor amin’ny tontolo iainana

Tompon’andraikitra amin’ny fiaraha-monina amin’ny tontolo iainana, amin’ny toe-karena ny Malagasy rehetra fa tsy ny fanjakana irery ihany akory. Madagasikarantsika ity fa tsy an’ny fitondrana irery. Mila mifanohana sy mifanampy isika rehetra, indrindra ny manana mizara ho an’ny tsy manana sady efa manakaiky ity ny fetim-pirenena ka tsara raha fifampizarana no hanehoantsika ny fitiavana ny Malagasy tahaka antsika. Tsy nanadino ny mponina sahirana manodidina ny faritra misy ny ivon-toeram-pivarotana Akoor eny amin’ny Digue, fa nitondra fanampiana ho azy ireo amin’izao hakatoky ny fetin’ny fahaleovan-tena izao. Efa fanaon’izy ireo mahazatra izao hoy ny mpisehatra ao amin’ny Akoor. Fianakaviana miisa 500 sahirana ara-pivelomana no nisitraka ny fanampiana.

Nanatanteraka fanadioavana ny tatatr’i Betsimitatatra nanodidina ny toerana nisy azy ihany koa izy ireo ary nanakarama olona hanao izany izay teo ambany fanampian’ny IMMORAMA. Nanao ny asa am-pitiavana ihany koa tetsy an-kilany izy mpikarama satria sady ho an’ny tontolo iainany ihany io no ho an’ny fivelomany ihany koa. “Mankasitra ny hetsika toy izao izahay ary raha manao tahaka izao avokoa ny ratsa-mangaika rehetra misy eto amin’ny firenena dia handroso ihany i Mdagasikara amin’ny lafiny rehetra”, hoy ny mpikarama iray.  Natao izao mba hanairana ny saintsika fa mila antsika ny tontolo manodidina antsika na ny zava-maniry sy ny biby indrindra ny olombelona.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire