Conseil

Ny fahamasahan’ny sakafo mba hahatsara ny fihinanana azy

Maro ireo sakafo manta izay ankafizintsika anefa tsy fatantsika fa manampoizina antsika  amin’ny fiainana andavan’andro. Anio dia ampahafantatra antsika sakafo 6 tsara ho masahina tsara alohan’ny ihinanana azy izahay mba anampy anao hitandrina sy ahandro tsara ireo sakafo ireo. Ireto avy ary izany :

·         Ny ovy :

Fantatrao ve fa tena poizina ao amin’ny vatantsika olombelona ny ovy manta raha tsy masaka tsara ?

Ny antony dia satria ao anatin’ny ovy manta na tsy tsara masaka dia misy poizina antsoina hoe “salanine” izay miaro ny ovy amin’ireo olatra sy bakteria na ireo biby mety hanimba azy raha mbola izy ao anaty tany iny. Amin’ny alalan’ny fandrahoana azy tsara anefa no ahafahany miala ao ary tsy misy atahorana intsony ny fihinanana ovy. Koa raha tsy tsara masaka izany dia mbola mijanona ao io poizina io ary mankarary avy hatrany ny vavony ary mety ho tonga hatramin’ny fahafatesana raha toa ka be loatra. Ankoatr’izay anefa dia mety hitarika aretina hafa toy ny “Diarhéé” koa io poizina io.

Ny ahafantarana ny fisian’io poizina antsoina hoe “salanine” io amin’ny ovy dia ny fahitantsika ampahiny maintso izay mampiseho ny fahabetsahan’ilay poizina.

Manomboka anio ary, ataovy tsara masaka ny ovy, tsara tsara kokoa raha ampangotrahina alohan’ny anendasana ary raha toa ka ho endasina ilay izy ho fahasalamana ho anao sy ny fianakavianao.

·         Ny “aubergines” :

Tahaka ny ovy izay hitantsika teo ambony ihany, mitondra ny poizina “salanine” koa ny aubergines. Ny fanesorana izany anefa, dia ny fampangotrahina azy tsara alohan’ny ihinanana azy miaraka amin’ireo tsiro maro isan-karazany dia hiala avy hatrany io poizina io.

·         Ny hena kisoa sy akoho manta :

Ireto hena roa ireto dia misy bakteria roa mety hanapoizinana antsika dia ny: “salmonelle” sy ny “campylobacter”. Mitombo ao anatin’ny akoho sy kisoa ireo bakteria ireo ary afaka mifindra avy hatrany amintsika olombelona raha hanina manta, ary mahatonga ny aretin’ny tsinay, tazo , ny “trichinose” izay aretin’ny tsinay mahery vaika azo avy amin’ny kankana anatin’ireo biby ireo. Mba hisorana ireo aretina ireo ary, dia masahina tsara ny hena kisoa sy ny akoho alohan’ny ahinanana azy.

·         Ny “haricots verts” :

Maro amintsika no tia “haricots verts” mantamanta noho ny fanenanana vatana sy ny hoe mitondra sela mineral kokoa. Tsia, toy ny ovy ihany anefa dia manana molekiola, na koa azo lazaina ho poizina iray miaro azy ireo amin’ny “parasite”  mandritra ny fitombony izy , ary io no mitarika aretin’ny tsinay raha tafiditra anatintsika olombelona. Ho fisorohana izany anefa dia tsotra, ampangotrahina hatrany farafahakeliny ny “haricots verts” rehefa ihinanana azy.

·         Ny lafarinina manta :

Rahefa mikarakara sakafo isika ka mampiasa lafarinina dia maro amintsika no milelaka ny sotro nangaroana azy iny. Ao anatin’ny lafarinina manta anefa dia misy bakteria izay antsoina hoe “L’Escherichia coli” izay mitondra aretin’ny tsinay koa tsara raha tsy mihinana lafarinina manta isika rehefa mikarakara sakafo ka mampiasa azy. Maty io bakteria io rehefa azon’ny hafanana mihoatry ny 65°, raha mofo mamy tao anatin’ny lafaoro azon’ny hafananana 180° izany dia tsy ahiana intsony ny fisiany.

·         Ny  Olatra  na ny “Champignon” :

Ny olatra na ny “Champignon” dia eritreretintsika ho azo hanina manta. Tsia, diso anefa izany ankoatry ny champignon de Paris izay tsy misy ahiana ny fihinanana azy manta. Ny olatra antsoina hoe “morilles” izay olatra fampiasa rehefa ikarakara sakafo dia tsy fihinana manta. Ahitana molekiola mamono ny sela mena amin’ny vatantsika olombelona anefa ao anatiny raha toa ka hanina manta ary mitarika tsy fahampian’drà ho antsika izany.    

Nathalia Rasoarilala

Laisser un commentaire