ActualitésTatitra

Arabie Saoudite : «Astronaute» roa avy ao an-toerana no niazo ny ISS

Voalohany teo amin’ny tantara no nisy « Astronaute » avy ao Arabie Saoudite niazo ny ISS (Station spatiale internationale). Isany ireo tsara vintana tamin’izany i Rayana Barnawi sy Ali Al-Qarni. Nanainga ny alahady teo tamin’ny 5 ora sy 37 minitra tao amin’ny ivo-toerana spasialy Kennedy ao Floride izy ireo tamin’ny alalan’ilay sambon-danitra Falcon ny SpaceX.

Iraka manokana nokarakarain’ny orinasa amerikana Axiom Space no anton’izao dian’izy ireo izao. Marihana fa misy « Astronaute » roa hafa miaraka amin’izy ireo. I Peggy Whitson kosa izay « Astronaute » tao amin’ny Nasa no mitarika ny iaraka ary i John Shoffner, mpandraharaha amerikana no misahana ny famoriana.

Mandrindra ny andro maromaro kosa no hijanona eny amin’ny ISS izy efatra mianadahy ireo.

Laisser un commentaire