Actualités

Fanamboaran-dalana : Tonga omaly ireo fitaovana.

Tonga nitsena ireo andiany voalohany amin’ireo fitaovana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.Nigadona, omaly alahady, tao amin’ny seranan-tsambon’i toamasina ireo fitaovana enti-manamboatra lalana. Tany an-toerana ny filoham-pirenena nitsena izany. Izy ireo izay ahitàna « citèrbes, niveleuses, bulldozers, compacteurs ary chargeuses », ka ho tsinjaraina isaky ny faritra ary ahitàba teknolijia avo lenta toy ny GPS mba hahafahana mandrefy ny ora niasany sy ny halaviran-dalana namboarina. Raha tsiahivina, fanambin’ny filoha ny tsy maintsy hanamboaran’ireo governoram-paritra lalana mirefy 200 ka hatramin’ny 250 kilometatra isan-taona. Ny faritra SAVA, Androy, Matsihatra Ambony, Bongolava, Vakinakaratra, Boeny, Vatovavy Fitovinany ary Analanjirofo no hisitraka ireto andiany voalohany ireto. Ny volana martsa kosa no higadona eto an-toerana ny andiany faharoa.

Laisser un commentaire