France : Lehilahy iray no nanindrona ny mason’ny vadiny tamin’ny sotrorovitra
Vehivavy iray no niaraka tamin’ny lehilahy iray 30 taona izay efa nomelohin’ny fitsarana in-26 ary tsy maintsy mbola manao « bracelet électronique ». Vetitevy dia niray trano izy roa ireo saingy tao taorian’izany dia fahoriana no nentin’ilay vehivavy.
Monina ao Jura, ary efa niteraka iray, ireo mpivady ireo. Teo anelanelan’ny volana aprily 2022 sy ny volana may 2023 teo dia niharan’ny vono isan’andro ilay vehivavy ary tonga hatramin’ny fanindronan’ilay lehilahy sotro rovitra ny mason’ny vadiny mihitsy izany. Amin’izao fotoana dia jamba tanteraka ny maso havian’io renim-pianakaviana 26 taona monja io.
Manoloana ny tranga kosa dia voasambotra faha-27 indray ilay lehilahy. Nilaza izy fa tsy nahy no nahatonga ilay loza saingy nohelohin’ny fitsarana noho ny herisetra an-tokantrano ny tenany. Raha ny fanazavana kosa dia mety higadra 20 taona io lehilahy io.
