ActualitésSocialTsidika

Oniversiten’Antananarivo: Nisy ny mpianatra voasambotra nandritra ny hetsika

Raikitra ny fitokonana nataon’ny mpianatry ny oniversiten’Antanana omaly. Taorian’ny fiandrasana ny valin-kafatra sy fandraisana andraikitra izay notakian’ireo mpianatra tamin’ny tomponandraikitra, tao anatin’ny 72 ora, dia nanatnateraka ny hetsika izy ireo rehefa tsy nahazo valiny.

“Tsotra ny angatahan’ny mpianatra, dia ny hamerenana amin’ny laoniny ny fampianarana. Atao hatsirambina loatra ny fampianarana eto Madagsikara, efa niato efa el any fampianarana ny fotoana ihany koa anefa mandeha kanefa toa hodian-tsy hita izahay mpianatra. Ankoatra izay, anton’ny fitakiana ihany koa ny fampiakarana ny vatsim-pianarana 100%” hoy ny solotenan’ireo mpianatra.

“Misy ireo mihevitra fa fandaniam-potoana sy fanakorontanana no antony hanaovan’ny mpianatra hetsika tahaka izao. kanefa anisan’ny zavatra marary ny mpianatra ny taona fotsy, fanampin’izany ireo fampitaovana tsy zarizary tsy mifanaraka amin’ny filàna eo amin’ny fiofanana. Ka mila jeren’ny tomponandraikitra izay satria mijaly ireo mpianatra” hoy i Rafidy, mpandinika fiaraha-monina.

Nandritra ity hetsika omaly ity moa, mpianatra miisa valo no voalaza ho nosamborin’ny mpitandro filaminana. Nisy moa ny sakan-dalana sy ny filanjana soram-baventy ary ny fandoroana kodiarana ivelan’ny faritry ny oniversite nataon’ireo mpianatra nandritra izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire