ActualitésTatitra

Maurice : Mandrisika ny firotsahana an-tsitrapo ao anatin’ny orinasa ny SigneNatir

Tontosa soa aman-tsara ny hetsika Network des Champions de SigneNatir andiany faha-4, izay fifanarahana ara-tsosialy sy tontolo iainana ao amin’ny Business Mauritius. Notontosaina tao Absa Maurice izany ary isany teboka lehibe nandritra izany ny fanentanana ny mpiasa avy amin’ny orinasa tsy miankina hirotsaka an-tsitrapo amin’ny tetik’asa mifandraika amin’ny fiahiana ara-tsosialy.

Marihina fa orinasa tsy miankina mahery ny 20 no tonga nanatrika io fihaonana io. Anisan’izany ny tranom-barotra lehibe Winners sy Super U ary ny orinasa toy ny Rogers, ENL Ltée, Currimjee Jeewanjee Ltée, Sofap Ltée art OXO Ltd sns. Nisy ny solontena tsirairay avy amin’ireo orinasa ireo nizara ny hetsika sy ny traikefan’ny orinasany momba ny filatsahana an-tsitrapo.

Ho an’ny Absa Maurice manokana dia nilaza izy ireo fa miroana amin’ny « active force for good » ny banky ary manohana fikambanana maro.

Laisser un commentaire