ActualitésTsidika

Hohamboarina tsy ho ela ny RN11, Nosy varika-Mananjary

Tena mampimenomenona ny mponina ankehitriny ny faharatsian’ny lalam-pirenena faha 11 izay mampitohy an’i Nosy Varika sy Mananjary izay izay mirefy 103 Km. Hohamboarina afaka herinandro vitsy io lalana tena ratsy io izay antsoina hoe « point noir » raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra. « Sahirana izahay amin’ny fivezivezena ka tsy dia afaka mandeha lavitra na amin’ny fitaterana ny vokatra aza » hoy i Junot, mponina any an-toerana.

« Fiaraha-miasa amin’ny orinasa tsy miankina no hahafahana manao ny asa, koa isaorana be dia be azy ireo izany » hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Mananjary, Charlot Mamihaja. « Raha tsy nisy izany ny orinasa tsy miankina dia inona no niseho ? Taraiky teo isika satria ny fanjakana tsy mahita ny olana ety ifotony noho izy tsy miaina aty » hoy i Juvence, tanora avy any Mananjary.

Ny lalana tokoa no antoky ny fampandrosoana ka tokony io aloha ny imasoana bebe kokoa, rehefa tsara mantsy ny lalana dia ho mora foana ny mitondra fampandrosoana satria sty misy sakana amin’ny fivezivezena izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire