ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Naneho ny fiaraha-miory tamin’ireo tra-boina ny kaominina

Naneho ny fiombonam-po tanteraka tamin’ireo mpiray tanindrzana tra-boina sy tra-pahavoazana teto amin’ny firenena ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Miantso ny rehetra hifanome tanana sy hampiseho ny fiaraisan-kina hatrany izy ireo.

« Maneho fiombonam-po sy fiaraha-miory amin’ny mpiray tanindrazana tra-pahavoazana noho ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai izahay eto amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Mankahery sy miombon’alahelo amin’ireo fianakviana izay namoy Havana aman-tsakaiza nandritra izany ihany koa » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Fotoana ny toy izao hifanohanana sy hifankaherezana. Fotoana izao hampanjakana ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientana. Malagasy iray isika. Tanana havia sy havanana ka izay didina maharary » hoy i Solofoson, mpahay fiaraha-monina.

« Mafy ny fahavoazana, mangidy ny fahamoizana ny ain’ny olona akaiky. Mihamaivana kosa ny voina rehefa totosana fampaherezana sy fifanohanana. Ary mbola izay no tena mampiavaka antsika Malagasy » hoy i Fidy, mana-manjo. Nankahery sy niray fo tamintsika teto Madagasikara ihany koa ireo Malagasy any ivelany sy ireo firenena maro samihafa. Samy nitondra ny teny fampaherezana avokoa, indrindra ny firenena Afrikanina. Tena ilaina tokoa ny fifanohanana mba hisian’ny fampandrosoana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire