Fakana an-keriny: Efa hita ilay zazakely teratany karana
09 Febroary, 08h00. Tafaverina soa aman-tsara eo anivon’ny fianakaviany i Djivan Riwan. Zazalahikely tenratany karana vao telo taona monja nisy naka ankeriny teny Ambodivonakely andro vitsy izay. Navotsotr’ireo mpaka an-keriny izy ary nisy nahita nandende omaly hariva teny Ambatobe.
