France : Tovolahy iray no nitsatok’antsy ny mpampianatra azy nandritra ny fotoam-pianarana
Tsy voalohany no nisy mpianatra nanao herisetra tamin’ny mpampianany tao France. Tovolahy 16 taona monja indray no nitsatok’antsy mpampianatra Espagnol iray tao amin’ny sekoly Saint Thomas d’Aquin ao Saint-Jean-de-Luz, Pyrénées-Atlantiques. Ny alarobia teo no niseho io tranga io.
Raha ny fanazavana dia nanazava lesona tao amin’ny kilasy T10 teny amin’ny fafana ilay mpampianatra vehivavy 53 taona no niditra tampoka ilay tovolahy. Nidiny lakile ny efitra fianarana, namoaka ny antsy tao anaty kitapony izy ary nantona ilay mpampianatra. Avy hatrany dia notrobarany ny antsy teo amin’ny tratrany ity farany.
Mpampianatra iray hafa nahare ny filatsaky ny antsy tamin’ny tany no nisambotra ilay tovolahy nandrapaha tonga ireo manam-pahefana tao amin’ny toeram-pianarana. Nosamborina avy hatrany izy taorian’izany ary natao ny fanadihadiana. Raha ny ny nambarany dia nisy feo nibitsika azy hamono io mpampianatra io.
Raha ny fantatra kosa dia mpianatra mahay io nahavanon-doza io ary nahazo naoty tena tsara tamin’ny « brevet »-ny izy saingy raha ny fizahana natao dia manana olana ara-tsaina ny tenany.
