8 martsa : Hafantoka kokoa amin’ny amin’ny fanabeazana ho an’ny zazavavy ny lohahevitra.
Dépêche 24 février, 12h, Hankalazaina eto Antananarivo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ny 8 martsa izao. Amin’ity taona ity dia hifantoka kokoa amin’ny ankizivavy ny fankalazana. Ny lohahevitra amin’izany dia ny hoe : « Fanabeazana ny ankizivavy, fampizakan-tena ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy ». Antony nandraisana izany lohahevitra izany ny hahafahan’ny olona rehetra tsy an-kanavaka mandray anjara amin’ny fanabeazana ireo ankizivavy sy mifanampy amin’izany sehatra izany.
