Ankoay U19 : Efa anatin’ny fampivondronana fahatelo amin’ny fanomanana ny lalao iraisam-pirenena.
Dépêche 05 juin, 14h, Sambany ho an’ny tantaran’ny taranja Basket ny fandraisana anjara amin’ny fiadiana ny ambopara eran-tany ho an’ireo latsaky ny 19 taona. Efa anatin’ny fanomanana tanteraka ireo mpilalao amin’izao fotoana izao. Miditra amin’ny fampivondronana fahatelo izy ireo amin’izao fotoana izao mialohan’ny hisidinana ho any Serbie, hanohy ny fanazaran-tena. Any Hongrie moa no hanatanterahana ity lalao ity ny 24 jona hatramin’ny 2 jolay izao.
