ActualitésTatitra

Tunisie : Nanameloka ny kabary naneho fanavakavahana sy fankahalana nataon’ny filoha ireo ONG

Nilaza ny filohan’i Tunisie Kais Saied ny talata teo nandritra ny fivorian’ireo faratampon’ny fitondram-panjakana fa mila mandray fepetra maika manoloana ireo mpifindra-monina tsy ara-dalàna avy ao Afrique subsaharienne makao Tunisie izy ireo. Nanamafy izy fa loharanon’ny herisetra, heloka bevava ary fihetsika tsy azo ekena ny fisian’izy ireo ao amin’ny firenena.

Nanambara ihany koa i Kais Saied fa paikady entin’ny orinasa samihafa hanovana ny rafitra demografika ao Tunisie io fifindra-monina io mba heverina ny firenena ho tena firenena afrikanina sy hanafongorana ny maha « arabo-musulman » azy.

Maro ireo fikambanana samihafa nanameloka izany teny nataon’ny filoha izany. Nosokajian’izy ireo ho endrika fankahalana sy fanavakavaham-bolon-koditra manoloana ny mponin’i Afrique subsaharienne izany. Zava-doza ho an’ny firenena manana filoha nanao sonia fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fifindra-monina izany teny izany hoy ny mpitondra tenin’ny FTDES (Forum tunisien pour les droits économiques et sociaux), Romdhane Ben Amor.

Marihana fa amin’ireo mponina 12 tapitrisa mahery ao Tunisie dia Afrique subsaharienne ny 21 000 isa aminy.

Laisser un commentaire