Fiompiana: Misy aretin’omby vaovao iadian’ireo tantsaha mafy amin’izao fotoana izao.
Noho ireo fanambarana isan-karazany mahakasika ilay aretin’omby vaovao izay hita ao amin’ny Distrikan’ny Antsiranana, Ambanja, ary Nosy be sy any amin’ny Distrikan’ny Nosy Varika dia manokatra fanadihadiana ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana hahafahana miady amin’izany.
“Mahafaty omby izy io raha tsy voatsabo ara-potoana ka ilaina noho izany ny mitady vahaolana farany izay haingana hiadiana aminy. Hatreto dia miisa 469 ireo omby no tratrany noho izy areti-mifindra izay miseho amin’ny alalan’ny fivontosana eny amin’ny hoditry ny omby. Manahy ny fisiana “dermatophilose” araka izany izahay izay azon’ireo biby avy amin’ny kaikitry ny biby kely; efa mandeha ny fanentanana isan-karazany hahafahan’ireo tantsaha miaro ny biby”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
“Tokony samy efa hahay izany fiarovana amin’ny bibikely toy ny moka izany avokoa ny olona rehetra indrindra ireo any amin’ny tontolo ambany vohitra satria fanentanana isan-taona izany. Esorina ny lobolobo, fadiana ny manangona rano sns. Ireny bibikely ireny mantsy no miteraka io aretin’omby io no sady fiarovana ny olona ihany koa izany. Tokony samy hiezaka hanadio ny manodidina azy noho izany ny tsirairauy”, hoy i Jean Jacques, mpitsabo biby ao amin’ny Distrikan’Ambanja.
Tsy mitovy amin’izany aretina izany anefa no hita ao amin’ny Faritra Vatovavy fa ahiana ho Fièvre de la Vallée du Rift no valan’aretina miseho fa miandry ny valin’ny fitiliana natao ny teknisianina. Marihana fa ny vanim-potoana ny orana sy fahavaratra no isan’ny mampirongatra ny aretina mpahazo ny biby indrindra ny ondry aman’osy. Samia mailo ary miantsoa mpitsabo vao mahita soritr’aretina hafa.
Miora Raharisolo
