Tatitra farany mahakasika ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy
Dépêche 24 février, 11h, Raha olona 4 no voalaza fa namoy ny ainy tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy ny omaly dia nitombo ho fito izany amin’ny hatreto. Miisa 78 078 ireo traboina avy amin’ny faritra 7 amin’izao fotoana izao dia ny faritra Vatovavy, Fitovinany, Atsimo atsinanana, Atsinanana, Haute Matsiatra, Menabe ary Amoron’Imania. Nitombo ho 50 ihany koa ireo toerana nandraisana ireo traboina ireo miaraka amin’ireo olona miisa 22 529 izay nafindra toerana. Misy fahavoazana ihany koa ny foto-drafitr’asa toy ny ao amin’ny RN42 izay mety ho tapaka tanteraka noho ny lavaka lehibe izay niforona ao amin’ny Fokontany Ambalamasoandro (PK 13) sy Ampasatapaka (PK 16).
