Pan Africain Robotics Competition: Miandry fanohanana ara-bola i Law Anthony Randriamaro sy Ziona Alberson vao afaka mihazo an’i Sénégal
I Law Anthony Randriamaro sy i Ziona Alberson Toavimbahoaka no hisolo tena an’i Madagasikara amùin’ny Pan Africain Robotics Competition (PARC) . Izy roalahy ireto dia avy amin’ny sekoly Politekinika Vontovorona ka izao voafantina ho any Sénégal izao. Raha ny tokony ho izy dia tokony ho tonga any an-toerana izy ireo ny 23 Jolay ho avy izao saingy nohn’ny tsy fahampiana ara-bola dia mbola miandry fanohanana ara-bola izy ireo vao afaka miainga eto Madagasikara .
Manakaiky ny fotoana tokony handehanana kanefa mbola tsy vonona ny enti-manana amin’izany hatreto. “Miandry izahay ho an’izay afaka manampy anay ara-bola mba ahafahanay mamonjy ny PARC alohan’ny 23 Jolay. Miangavy ny fanjakana ihany koa hijery ny mombanay ary manao antso ihany koa ho an’ireo tsy miankina afaka manohana .” hoy izy ireo.
“ Manentana antsika rehetra na tompon’andraiki-panjakana izany na olon-tsotra na fikambanana , na tsy miankina mba hanome tanana ireto namantsika ireto. Ny lafiny ara-bola no ilain’izy ireo fanampiana ahafahan’izy ireo mihazo an’i Sénégal hanomana ny PARC. Tsy hiady ho an’ny tombotsoany irery no ataon’izy ireo any fa indrindra koa hitondra ny anaran’ny firenena Malagasy sy Politeknika Vontovorona Sekoly niaviany. Manantena sady manakasitraka antsika rehetra amin’ny fanohanana.” Hoy ny solontenan’ny fikambanan’ny mpianatra.
Firenena maro no nandray anjara tamin’ity fifaninana ity ka anisany tafiakatra tamin’izany ireto mpianatra Malagasy ireto. Araka ny daty navoakan’ny mpikarakara dia ny faha-29 Jolay ho avy izao ny fanehoana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasan’ireo mpifaninana. Ho an’izy roa lahy dia ny fanamboarana « robot » hiasa hanala ny ahi-dratsy amin’ny tanim-boly no tetikasa entin’izy ireo hifaninana.
Miranto Andrih
