17 may : Andro maneran-tany ho an’ny serasera ampitain-davitra na « télécommunication »
Efa miditra tanteraka amin’ny vanimpotoanan’ny hairaha na ny teknôlôjia ny taranaka miaina ankehitriny. Mety hisy mahatsara azy izany ary mety hanimba ihnay koa, fa miankina amin’ny mpampiasa azy ihany. Ankalazaina ny 17 may ny andro iraisam-pirenena ho an’ny serasera ampitain-davitra na « télécommunication ». Efa nanomboka ny taona 1980 no nahitana fahombiaza be ity sehatra « télécommunication » ity, noho ny fandrosoan’ny fikarohana ara-teknôlôjika. Inona tokoa moa izany « télécommunication » izany ? Fomba iray fampitana ita izy io na hafatra na vaovao na fahalalana amin’ny fomba elektrônika izany hoe ampitaina amin’ny alalan’ny fampiasana hairaha ny ita sy ny serasera. Ny fampitan-davitra no tena mampiavaka azy, toy ny fahitalavitra, ny onjam-peo, ny finday, ny aterineto, sy fampitam-baovao tahaka ny ataon’ny avy ato amin’ny ekipan’ny Tsidika. Tsy ela amin’ny fampitam-baovao ity Gazety an-tambajotra ity. Manamora fiainana ny « télécommunication » ary manafaingana ihany koa ny fiparitahan’ny vaovao. Ho antsika eto Madagasikara izao, misy andrim-panjakana mihitsy natao hampiroboroboana izany dia ny « Ministère des Postes, des Télécommunications et du Développement Numérique » izay tarihin’i Ramaherijaona Andriamanohisoa. Miroborobo tokoa ve ny sehatra ankehitriny ? Iza avy ny Malagasy misitraka izany amin’izao vanim-potoana izao ?
Nicole Rafalimananjara
