Mihatra ny sazy ho an’ny tsy manara-dalàna amin’ny kodiaran-droa
Mirongatra tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana ary isan’ny tena miteraka izany ireny kodiaran-droa ireny. Tsy ny fepetra ara-pahasalamana ihany akory no tena tandrovana amin’izao fa eo ihany koa ny fepetra ara-pifamoivoizana amin’izao. Ho hentitra ny mpitandro filaminana manoloana ireny moto na kodiaran-droa ireny manomboka androany alatsinainy 17 may. Mihatra tanteraka ny sazy manomboka anio ho an’ireo mpitondra moto tsy manaraka ny fitsipika efa napetraka izay nanaovana fampitandremana talohan’izao. Isan’ny amin’izany ny fampiasana « retroviseurs » havia sy havanana, ny fitaovana ary ihany koa ny fandrehetana foana ny jiro, na atoandro na alina, rehefa eny an-dalana. Tsy adino ny fanaovana aroloha na « casque » na ho an’ny mpitondra izany na ho an’ny entina. Matetika loatra manko ny loza aterak’itony moto itony noho izy afaka misisika eny anelanelan’ny fiara eny, izy mirifatra mafy ka napetraka izao fepetra izao. Tokona hanao akanjo ambony lava tanana na « blouson » manarona sandry no hanaovan’ny mpandeha amin’izany ary tsy mahazo manao « short » na kapa fa pataloha sy kiraro manarona ny tongotra no entina. Isan’ny fitaovam-pandehanana tsy sarotra vidiana manko ny moto ary manavotra amin’ny fanenjehana ora sy amin’ny fitohanana ka izany no tena mahabe mpampiasa azy. Ity no vahaolana hita fa mifanaraka aminy koa aoka hotandremana tsara mba hiarovana ny aintsika tsirairay avy.
Nicole Rafalimananjara
