Mitaky ny mangarahara amin’ny fandraisana mpiasam-panjakana ny SEMPAMA
Nanao fanambarana manoloana ny fandraisana mpiasam-panjakana, ny eo anivon’ny sampan SEMPAMA. Mbola betsaka no tsy mazava mahakasika ity fandraisana mpiasa ity hoy i Raharovoatra Claude, filohan’ny SEMPAMA. Mitaky ny marina sy mangarahara eo amin’ny poste budgetaire handraisana mpiasam-panjakana ho an’ny ministeran’ny fampianarana tekinika sy ny fanofanana arak’asa izy ireo. Nolazain’ny fikambanana SEMPAMA fa najavona tsy hita popoka izany. Akoatra izay, efa ho enim-bolana ihany koa izay no nikarakarana ny “poste budgetaire 2020” nefa tsy mbola nisy ny fampitam-baovao marina raha nambaran’ny teo anivon’ny SEMPAMA hatrany. Nolazainy ihany fa very fanahy mbola velona ireo. Misy ny tsy miasa, ny najanona tsy miasa ary ao ihany koa ny tsy mandray karama. Mangataka ihany koa izy ireo ny handraisana manokana ireo efa nahazo taona sy efa ela niasana. Nitaraina ny fikambanana SEMPAMA fa raha ny zava-misy ankehitriny, tsy hisy ny fandraisana mpiasam-panjakana ho an’ny taona 2021 ho an’ny ministeran’ny fampianarana tekinika sy ny fanofanana arak’asa.
Mampionontsoa Rajaonson
