ActualitésTsidika

Avy aiza ilay fiteny hoe « Izaho maditra amin’ny rariny »?

I Rakotonanahary na Rakotomaditra no tena mpiteny azy io izay zanakin’ny mpanjaka Vazimba Andriambodilova sy i Ranoro. Raha tsiahivina ny tantara, nangataka ny mba hifindran’ny mpanjaka vazimba tao Analamanga monina tsy hanaloka intsony ny fanjakany ny mpanjaka Andrianjaka, zanaka nandimby ny mpanjaka Andriamanelo rehefa nandresy azy ireo izy.

Anisan’ireny ny mpanjaka vazimba i Andriambodilova izay nisafidy ny tananan’Ambohimanarina izay zanakin’ny mpanjaka Andriampirokona. Vazimba Antehiroka no filazana azy ireo ary nohajaina sy nohamasini’ireo mpanjaka nifandimby ny toerana nilevenany satria natahorana tokoa. Ny Antehiroka irery ihany no nahazo fahefana mandidy ny zanaky ny mpanjaka rehefa atao hasoavana. I Andriambodilova dia nanambady an’ i Ranoro izay niavian’ny anaran’ilay fokontany Andranoro. Misy farihy izay nolazaina fa tao no nisitrika i Ranoro, ka tsy niverina intsony, rehefa tsy nahatandrina ny fady izay nangatahany ny mpanjaka Andriambodilova. Nangatahin’ i Ranoro no tsy hanonona velively ny teny sira raha hivady aminy.

Misy fady mila fantarina raha hamangy ny toerana misy an’i Andriambodilova eny Ambohimanarina sy Ranoro eny Andranoro dia tongolo sy ny sira. Nanana zanaka atao hoe Rakotonanahary i Andriambodilova sy Ranoro. Nisy fotoana izy io niambina toerana izay nisy mpanjaka teny Ambohimanga. Ririnina ny andro tamin’izay ka tsy zakan’i Rakotonanahary ny niaritra ny hatsika tao ivelany ka nahatonga azy hisotro « toaka » matetika mba hanafana azy. Nitezeran’i Ranoro matetika izy tamin’izany fomba ratsiny izany kanefa mbola naveriny foana ka nahatonga azy nametraka ho rakitrin’ny tantara ilay teny malaza hoe:  » Izaho maditra amin’ny rariny ».

Noho io toetrany tsy mety hanarina io no nahatonga an-dreniny nanova ny anarany taty aoriana ho Rakotomaditra. Ankehitriny, tsy ampiasaina hanafana tahaka ny tanjon’ity zanaka mpanjaka ity ny toaka fa ampisaina hanakorotanana fiarahamonina sy hamonoana eritreritra hany ka mivaralila ny sasany izay misotro azy. Mbola maditra main’ny rariny ihany ve ireo olona amin’izao izay misotro toaka ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire