ActualitésTatitra

Cambodge : Lehilahy lehibe iray no lanin’ny voay 40 isa

Lehilahy iray 72 taona no nianjera tao amin’ny valam-boay tao Siem Reap ao Cambodge. Raha ny fanazavan’ny lehibe ny polisy tao an-toerana, Mey Sarvy dia nikasa namoaka iray tamin’ireo biby ireo izy saingy nosarihan’ilay voay niverina ka tafiditra tao anatin’ny fefy ary nifandriatan’ireo voay. 

Marihina fa maro ny toerana fiompiana biby mangatsia-drà ao Siem Reap izay tanàna misarika mpizaha-tany ary tsy lavitry ny tempoly Angkor. Tsy voalohany manoloana izany io tranga nisian’ny olona lanin’ny voay tao an-toerana. Raha tsiahivina dia zazavavy keky 2 taona no lanin’ny voay maromaro rehefa nianjera tao amin’ny valan’izy ireo tamin’ny taona 2019.

Laisser un commentaire