Alasora : Tratra ny mpangalatra jiro teny Ankadievo
Tovolahy iray vao 18 taona, mpangalatra ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, mipetraka amin’ireo lalana eny amin’ny fokontany Ankadievo, kaominina Alasora no saron’ny polisy avy amin’ny Commissariat de la Sécurité Publique Alasora sy ny andrimasom-pokonolona. Jiro natao hanazava ny lalam-bahoaka kanefa tapitra esorin’ireo olon-dratsy ka nahatonga ny mpitandro filaminana niara-niasa tamin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fanaovana andrimasom-pokonolona mba hisafo sy hiady ho amin’ny tsy fahandriam-pahalemana.
« Manao ny ezaka hatrany ny mpitandro filaminana mba hampandry fahalemana ny mponina. Efa maro ireo tranga hita teny amin’ireo fokontany hafa manoloana ny fanesorana ireo jiro amin’ny lalana ka mahatonga anay nandray fepetra hidina ifotony avy hatrany, manao fisafoana handringana ireo olon-dratsy » hoy ireo mpitandro filaminana.
« Tsara mihitsy ny hetsika fisafoana sy ny asa fiaraha-mientan’ny mponina tahaka izao. Fananana iombonana izy ireny ka tokony harovana mandrakariva ary tokony ho sarotiny amin’izany avokoa ny olona tsirairay » hoy i Njiva, mponina ao Ankadievo Alasora.
Ny fiaraha-mientan’ny mponina sy ny mpitandro filaminana ihany tokoa ny hery manafoana ny asa ratsy sy manongotra ny tsy fahandriam-pahalemana eny ifotony. Tsy tokony any amin’ny fanabeazana ny tsirairay hahay hiray hina ihany koa ve no himasoana mba hampiverina ny soatoavina Malagasy, dia ilay atao hoe « firaisan-kina » ?
Manitra Ramanantsoa
