ActualitésTsidika

Kaominina Antananarivo Renivohitra : Hanatanteraka famelabelaran-kevitra mahakasika ny fandraharahana

Hisy ny hetsika ho an’ireo mpandraharaha te hitombo amin’ny fahalalana sy te hivoatra kokoa amin’ny famokarana. Nampitondraina ny lohahevitra hoe « culture d’Antananarivo et migration urbaine » izany famelabelaran-kevitra izany. Ho hita ao amin’ny efitrano Hémicycle, Hotel de Ville Analakely izany ny alakamisy 22 septambra io. Ahitana an’i Elia Ravelomanantsoa, i Frédéric Rabesahala ary i Vanf Andrianasolo izay hamelabelatra mahakasika izany lohahevitra izany.

Tsy natokana ho an’ny mpandraharaha irery ihany izany fa natao indrindra ihany koa ho an’ireo tanora vao hiditra amin’ny sehatry ny fandraharahana eto amin’ny tanànan’Antananarivo. Ho voasana ao ny fomba fitadiavana lalana amin’ny asa mety hatao sy ny asa mety ho foronina eto Antananarivo. Iarahana miasa amin’ny Ecole Nationale Supérieure de la Police ity famelabelaran-kevitra ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire