ActualitésTsidika

Alasora : Ho tontosaina ny voalohan’ny volana oktobra ny fanolorana ny amboara « coupe du maire 2022 »

Ny sabotsy 01 oktobra ho avy izao no hanatontosana ny lanonana goavam-be ao amin’ny kianja maitso Alasora, izay hanolorana ny fankasitrahana ho an’ireo rehetra nandray anjara tamin’ny lalao baolina kitra niadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna tamin’ity taona ity (coupe du maire 2022).

« Efa tsara petraka ny fandaharam-potoana mandritra izany, hanomboka amin’ny 09 ora maraina ny fizarana ny loka, amin’ny 12ora atoandro kosa hisy ny hira gasy goavana hifanatrehan’ny mpihira gasy malaza, Razafindramanga Berthine sy ry Razafimandimby Ambatoarananabe, ny mponina sisa no andrasana amin’io fotoana io ary maimaim-poana ny fidirana » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Efa ela no niandrasana izahay nandray anjara, nivoaka ihany ity ny fandaharam-potoana ankehitriny izay hisaorana ny mpikarakara » hoy i Julio, mpilalao Baolina.

Mendrika ireo mpandray anjara tokoa ny fanomezana fankasitrahana azy ireo mba ahafahana manosika azy hanao ezaka mankany amin’ny tsara hatrany. Ny fametrahana ny tanora ho laharam-pahamehana ihany koa no anisan’ny mitarika any amin’ny fampandrosoana amin’ny alala’ny fampandraisana anjara azy ireo amin’ny asa ao anatin’ny kaominina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire